Olona telo niara-maty tototry ny tany tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Niezaka nanavotra ny fokonolona fa tsy tana ny ain’izy ireo.
Nifampisokirana tao anaty ranontany ireo telo lahy nihotsahan’ny tany tao amin’ny tanànan’Ambedamena, fokontany Betafo, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Niasa io tany io hanaovana lalan-drano ho any amin’ny tany hamboleny ireto lasibatra ireto, araka ny angom-baovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Nihotsaka tampoka anefa ny tany. Tampoka, tsy nisy tafavoaka tao anatin’ny lavaka ireto telo lahy. Niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina ny nanatri-maso. Niezaka nangady ny tany nanototra ireo olona telo ireo sy namoaka ireto farany tao anatin’ny lavaka.
Adiny fito …
Nananosarotra ny fanesoran’ny fokonolona ny ranontany nanototra ireo mpiady tany. Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina izy ireo no niezaka nikaroka ny vatana mangatsiakan’izy telo lahy. Tafavoaka tao anatin’ny tany avokoa ireo olona telo tamin’ny 5 ora hariva saingy tsy nisy avotra intsony ny ain’izy ireo. Nanao ny fitsirihana ny vatana mangatsiaka ny tomponandraikitra. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny raharaha ny zandary miasa any an-toerana. Fantatra fa mponina ao Ambakireny avokoa ireto tra-doza ireto.
Tsiferana R.