TARATRY ny KANTO

Lasan’i Faniry Fanomezantsoa ny laharana voalohany teo amin’ny fifaninanana miantsa tononkalo, nokarakarain’ny Faribolana Sandratra, ho fanamarihana ny faha-35 taona nijoroany. Teny amin’ny CGM Analakely, ny faran’ny herinandro teo, no nanaovana ny famaranana. Niisa 13 mianadahy izy ireo no nifaninana ary tena sahirana ny vondron’ny mpitsara noho ny fahaizan’ireo mpifaninana.
Nisokatra ho an’ny daholobe, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ny ivontoerana fampirantiana vaovao an’ny Hakanto Contemporary Ankadimba­hoaka. Izy ity izay ivontoerana vaovao. Efa ahitana rantin-javakanto maro samihafa eny an-toerana. Anisan’izany ny “Saison Histoires de famille”, ny rantin-tsarin’i Dany Be…
Nahasarika mpankafy maro ny hetsika famelabelaran-kevitra niarahana tamin’i Johary Ravaloson, teny amin’ny IFM Analakely, ny sabotsy 28 septambra 2024. I Johary Ravaloson, izay mpanoratra anisan’ireo manana ny maha izy azy ankehitriny. Anisan’ny tena nandrasan’ny maro ny famelabelarana mahakasika ny fomba fanoratany.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny AFT Andavamamba, ny “Salon de la gastronomie”, andiany fahafolo. Izy ity izay hetsika natao hanasongadinana ny tontolon’ny nahandro sy ny haify. Fampirantiana karazan-tsakafo, famelabelaran-kevitra maro samihafa, ary fizarana traikefa sy fahaiza-manao no nandravahana ny hetsika.

Partager sur: