Lavon’ny tifitry ny polisy tetsy Ambodinisotry Radadatoa, jiolahy mpanao fanafihana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Taorian’ny nahasamborana azy, nitarika ny mpitandro filaminana hitoroka ny namany izy saingy nikasa handositra. Maty voatifitra taorian’izay.
Renim-pianakaviana 60 taona hita faty tao Mandritsara, afakomaly. Niharan’ny fanolanana io ramatoa io vao novonoina, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Karohina ny nahavanon-doza.