Nilanja 85 kilao ny trondro, tilapia sy karpa, azo tao amin’ny dobo anatin’ny toby miaramila Ensoa Antsirabe. Vokatra voalohany azo ny 27 septambra teo, tao amin’ireo dobo efatra natao ho fiompiana fitaratra. Miisa 2 800 ny zana-trondro narotsaka tao, nohatavezina nandritra ny 8 volana. Misy milanja 1,5 kg ny trondro iray. Nanome tantsoroka ara-teknika sady namatsy sakafo sy nanara-maso ny ekipan’ny DRPEB Vakinankaratra.
Nitarina hatramin’ny 4 oktobra ny fe-potoana fara-fisoratana anarana amin’ny fifaninana hiditra amin’ ny taona voalohany any amin’ny Sekoly fampiofanana ho teknisian’ny fambolena (EFTA). Misokatra ho an’ny tanora 18-25 taona, manana ny mari-pahaizana bakalorea A2, C, D, S, OSE, na baccalauréat agricole, na Diplôme téchnicien agricole. Afaka mandalo ny biraon’ ny Drae na ny EFTA akaiky azy izay mila fanazavana fanampiny.
Natsangana ny vaomiera manokana,
«Comité Ad’hoc », any Amoron’i Mania, handinika ny fanitarana ny famatsiana herinaratry ny Jirama, ao anatin’ny tetikasa Lead. Voakasik’izany ireo kaominina ao anaty distrika telo (Ambositra, Manandriana, Ambatofinandrahana). Anisan’ny asa hatao ny hamadihana ny tanjaky ny herinaratra ho «Moyenne tension» (MT). Hiitatra any amin’ny faritra Ihorombe, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana ity tetikasa ity.