Nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy vokatry ny daroka nahazo azy ny tovolahy 17 taona tao Toamasina Renivohitra, ny 27 septambra teo. Nitrangana fahaverezana vola 10 000 Ar tao amin’ny tranon’izy ireo. Tezitra mafy ny rain’io ankizy io. Nodarohana tamin’izany ilay zanany lahy. Ataon’ny rainy ho tompon’antoka tamin’ny fanjavonan’io vola io ity zanany ity, araka ny loharanom-baovao. Voa mafy noho ny daroka nahazo azy, tsy nahatsiaro tena intsony, ny lasibatra. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana ny fianakaviany. Tsy tana intsony ny ain’ity farany. Marihina, mbola mpianatra eo anivon’ny Lycée teknika ao an-toerana ity namoy ny ainy ity.
Tsiferana R.