Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy nahatrarana rongony dimy gony tao Ambaribe, fokontany Fiakarana, kaominina Ambohitrimanjaka, ny 28 septambra teo. Lehilahy iray tra-tehaky ny zandary teo am-pifohana io karazan-javamahadomelina io. Nofotorin’ny mpitandro filaminana io mpidoroka io ka nanaiky hitoroka ny foibe mpamarotra rongony. Noraisim-potsiny tao an-trano nambenany ny mpiambina iray. Nosaivana, nahitana rongony nilanja 63 kg tao amin’io toerana voatondro io. Tsy hita ny tompon-trano. Nambaran’ilay mpiambina fa monina eny Ambohimanarina ny tompon’ny entana. Nentina natao famotorana ireo roa lahy. Nogiazana ny rongony mitotaly dimy gony. Karohina ny tompon-trano sady voatondro ho tompon’ny rongony. Tsy hita popoka izy hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra. Ho dorana aorian’ny fitsarana ireo zava-mahadomelina ireo.
Tsiferana R.