Fadintseranana – Nosy Be: Tafapetraka ny Birao ho fanaraha-maso

Am-perinasa tanteraka ny sampandraharahan’ny fadintseranana misahana ny fitiliana sy ny fanaraha-maso (Bureau de surveillance douanière) ao Nosy Be. Tonga tany an-toerana nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma teo, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabariniri­na­rison Rindra Hasimbelo sy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatsarana ny fadintseranana ity sampandraharaha vaovao ao amin’ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be ity. Efa misy alika fito (berger allemand sy berger malinois) manam-pahaizana manokana amin’ny fikarohana rongony, sokatra, lavanila ary vola vahiny (devise). Zava-baovao hanatsara sy hanamafy ny traikefa sy ny fahombiazan’ny fadintseranana amin’ ny ady atao amin’ny hosoka sy fanondranana antsokosoko ny fotodrafitrasa vaovao sy ireo alika voaofana manokana ireo.
Marihina fa hitarina tsikelikely ary haparitaka eny amin’ireo seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny « brigade canine » aorian’ny fametrahana ny rafitra eto Antananarivo sy Nosy Be. Hivelatra sy hiara-miasa amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny minisiteran’ny Fitanterana ity sampandraharaha eny anivon’ny fadintseranana ity.

Henintsoa H.

Partager sur: