FANTINA sy FINTINA

Nametraka ny firotsahan-kofidiny amin’ny anaran’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo rehefa notsipa­hin’ny Ceni ny tsy fahafahany mirotsaka amin’ny vovonana Firaisankina. «Tsy hihemotra aho fa mandroso hatrany. Vonona sy sahy hitondra ny anjara biriky ho fampandrosoana an’i Mahajanga tanàna nahabe», hoy izy.

Nahitsy ny filoha nasionalin’ny antoko Free­dom, Rakotondrazafy Lalatiana, nilaza fa tsy maha­gaga ny fivakisana eo amin’ny fanoherana. Nambarany fa ratsy fototra ary “alliance contre-nature” ny fiarahana nanomboka tamin’ny 2023. “Nahatonga ny vovonana Firaisankina miady an-trano sy mifampitory izany”, hoy izy.

Anisan’ny niatrika ny fihaonana iraisam-pirenena momba ny fotodrafitrasa ho an’ny voafonja tetsy Anosy, omaly, ny eo anivon’ny FFKM. Nisolo tena azy ireo ny tonia, ny Rev Ranaivoarivelo Tahiana. Teo koa ny avy amin’ny firenena hafa. “Zava-dehibe ny fijerena ireny fotodrafitrasa ireny ho fampanjakana ny zon’olombelona na any amin’ny fonja aza”, hoy izy ireo.

Hohatsaraina ny volavolan-dalàna momba ny fanalan-jaza eny amin’ny Antenimiera, araka ny nambaran’ny depiote, Raby Savatsara. Nambarany fa mbola eny Tsimbazaza izany, ka anisan’ny hodinihina ny tokony hanekena ny fanalan-jaza noho ny antony ara-medikaly. “Hojerena izany na eo aza ny lalàna sy ny Lalàmpano­renana momba ny zon’olombelona”, hoy izy.

Partager sur: