fotodrafitrasa eny ifotony : nitokana izany ny minisitra Andriantsitohaina

Nitokana ireo fotodrafitrasa any amin’ny distrikan’Am­banja ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny nisitraka izany ny ao amin’ny kaominina Amba­lahonko, Antsakoamanondro ary Maherivaratra. Notoka­nana ny herinandro teo ny trano fianarana, ahitana fitaovana samihafa, toy ny EPP sy ny CEG. Eo koa ireo trano fidiovana sy ny vovondrano fisotro. Namatsy vola izany ny fanjakana sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka Alemà (KfW), ao anatin’ ny fandaharanasa PDCID, tanterahin’ny FDL. Miisa 21 ireo sekoly notolorana fitaovana ho an’ny any amin’ny faritra Diana sy Boeny, tamin’ity taona 2024 ity. Miisa 11 kosa ny fotodrafitrasa an-dalam-panavaozana. Ahitana birao, tranompokonolona sy fotodrafitrasa madinika eny anivon’ny kaominina miisa 40. Tafiditra anatin’ilay tetikasa PDCID KfW II.

Fanoratana tany faobe

Etsy andaniny, nizara drafitra ifoton’ny fanajariana ny tany iraisan’ny kaominina (SAIC) sy Paloss ho an’ny kaominina miisa 9 any Sambirano ihany koa ny minisitra, ka nanamafy ny fandrindrana ny fampandro­soana voafehy sy azo an­toka.
Tsiahivina fa nisitraka fa­noratana tany faobe koa ny any Antsiranana II, ny herinan­dro teo. Miisa 351 ireo tokantrano nahazo izany ka tonga tany an-toerana nizara ny taratasy ny minisitra Andrian­tsitohaina Naina. Nohamafi­siny hatrany fa natao ho an’ny Malagasy ny tany.

Synèse R.

Partager sur: