Tafiditra ho anisan’ireo filan’ny mponina andavanandro ny fampiasana ny arina fandrehitra. Azo atao tsara ny mampihena ny fanimbana sy ny fanapahana ala amin’ny alalan’ny fambolena hazo fandrehitra (bois énergie) ilain’ny mponina eny ifotony amin’ny andavanandrom-piainany. Mavitrika mamboly izany ny fikambanana mpamboly hazo antsoina hoe “Soaravy” ao Mangily, kaominina Bemanonga, faritra Menabe. Nanomboka ny taona 2022, niara-niasalahy namboly hazo fandrehitra iombonana sy isam-batan’olona ny mponina ao an-toerana, izay ahitana ireo karazan-kazo samihafa sady haingam-pitombo efa novolena tao amin’io faritra io Albizia lebbeck, Acacia sp, Eucalyptus camaldulensis, Leucaena leucocephala, Adansonia sp. Ankehitriny, mahatratra 50 hatramin’ny 100 sentimetatra ireo hazo novolena ny volana febroary ka azo ampiasaina afaka telo taona. Manohana ny fikambanana Soaravy ny WWF Madagascar, amin’ny alalan’ny fizarana masomboly sy ny fanentanana ireo mpikirakira zana-kazo.
Henintsoa H.