INDRAY MIJERY

Manoloana ny olana teo amin’ny valin’ny bakalorea 2024 tany Toamasina, nidina ifotony any an-toerana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, omaly. Nitady vahaolana mahakasika izany miaraka amin’ny tomponandraikitra rehetra voakasika n anton-diany tamin’izany.
Hitsidika ireo vehivavy nodidina vokatry ny aretina mamany lava raisina an-tanana eny amin’ny Pavillon Sainte Fleur ny solotenan’ny UNFPA eto Madagasikara, anio. Ankoatra ny eto Antananarivo, misy hetsika mitovy amin’izao koa any Ambovombe.
Mampahatsiahy ny tsy tokony hitondrana fiara mihitsy rehefa misotro zava-mahamamo ny olona iray, ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Rehefa mamo ianao no mitondra fiara na moto dia fantaro fa mihena ny “reflexe”. Lasa sahisahy ka voasarika handeha mafy na hiantsy ady ary lasa mitera-doza.
Hita manerana ny Nosy ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). Miezaka manakaiky ny faritra, hanamorana ny fanaraha-maso, izy ireo. Ny tendro ATT ao Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro, no anisany zandriny indrindra napetraka farany teo. Tan­jona ny hanatsarana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN2 sy RN44 noho izy faritra andalovan’ny zotra an-dalamby ihany koa.

Partager sur: