JJB-“World Championship” : Malagasy mpikatroka 24 hiatrika fampivondronana

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny lisitr’ireo mpikatroka hifantenana hiatrika ny fiadiana ny tompondaka ma­neran-tany, taranja Jiu-jitsu breziliana “World Champion­ship”. Fifaninanana izay hatao any Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ ny 16 novambra izao. Mpika­troka 24 no voaantso amin’ izany ary hiatrika fampivondronana voalohany ny alarobia 2 oktobra izao, araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny Federasiona malaga­sin’ny taranja Jiu-jitsu brezi­liana. Eny amin’ny Dojo Chek­mat Madagascar Antaninan­dro no hanatanterahina io fam­pivondronana io. Natao iray volana mialoha mihitsy, araka izany, ny fampivondronana. Tanjona ny hahafahana manomana tsara ireo atleta malagasy. Eo koa ny hahazo vokatra tsara mandritra ity fifaninanana maneran-tany ity. Nomarihin’ ny federasiona fa misy atleta 8 vonona hianto-tena saingy miaraka miatrika fampivondronana avokoa izy 24 miana­dahy. Eo an-dalam-pitadiavana mpanohana kosa ny federasiona sy ireo atleta hanampy azy ireo hiatrika ity fifanina­nana goavana ity. Tsiahivina fa tamin’ny alalan’ireo fifanina­nana natao teto an-toerana ha­tramin’izay no nahafahana nisafidy ireto mpikatroka ha­vondrona ireto.

Mi.Raz

Ireo hiatrika fampivondronana

Andy (Checkmat), Zo Aina (Guerreros), Tsinjo (One Tribe), Nofy (Check­mat), Diary (Southside), Fifaliana (One Tribe), Tafita (Guerreros), Bryan (Check-mat), Mikaia (Southside), Yusha (Attila), Jeremia (Com­bat Club), Voady (Guerre­ros), Mathieu (Estrela), Saïda (Southside), Fran­çois (BJJ Esca), Avotra (One Tribe).

Mianto-tena: Willy (Check­mat), Chafik (Checkmat), Nomasy (Checkmat), Aiky (Checkmat), Tsiresy (Check­mat), Adriano (Guerreros), Christian (Guerreros), Tsi­very (Guerreros).

Partager sur: