Mafy ny fifandonana… : Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisy

Tohivakana ny fanafihana ao Toamasina. Ny eo voatifitra, ny hafa manafika, izany ny zava-miseho ao an-toerana. Jiolahy iray maty voatifitra tao Ankirihiry, ny alahady alina teo, saingy omaly, raim-pianakaviana iray hafa voatafika tao anaty bajaj…

Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao Ankiri­hiry Toamasina, ny alahady alina teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy fanendahana. Malaza ra­tsy amin’ny fanendahana ao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie sy Morarano Toama­sina, ity jiolahy ity ka nifanenjehan’ny polisy tamin’ireo faritra ireo. Raikitra ny savahao ka tao Ankirihiry izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Mafy ny fifandonana satria tsy naharesy tosika ireo polisy ity jiolahy ity.
Fa omaly atoandro tamin’ny mitataovovonana, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao Toamasina ihany. Jiolahy roa nandeha moto no nanambana basy tamina raim-pianakaviana iray nitondra vola. Nandeha moto bajaj ity raim-pianakaviana ity ka teo amin’ny sampanan-dalana mifanakaiky amin’ny fiangonana iray Tsarakofafa no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy.

Tsy nisy sahy nanohatra ny olona…
Nambanan’izy ireo ny basy ilay raim-pianakaviana ka lasan’izy ireo ny vola tao anaty sakaosy niaraka tamin’ny finday iray. Tao anatin’ny minitra vitsy monja no nanatanterahan’ireo olon-dratsy ny fanafihana, araka ny fitantaran’ilay niharam-boina. Nitsoaka nanaraka ny lalam-pasika mihazo an’i Tsarakofafa ireo olon-dratsy taorian’ny fanafihana. Tsy nisy sahy nanohatra na nanenjika ireo olona nahita izany noho ny fitaovam-piadiana mahery vaika teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy. Fotoana fohy taorian’ ny fanafihana vao tonga teny an-toerana ny polisy. Nanao fanarahan-dia saingy efa tafaporitsaka ireo olon-dratsy. Mihantsy tanteraka ny mpitandro filaminana ny jiolahy satria ny eo voatifitra ny hafa ma­nao ny ataony sahady koa. Voasokajy ho anisan’ny faritra mena amin’ny asan-jiolahy ny ao Toamasina, amin’izao foto­ana izao, na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy.

Sajo/J.C

Partager sur: