Moramanga: tohana RSE avy amin’Ambatovy

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny tetikasa Am­batovy, manana drafitrasa ma­nokana izy amin’ny lafiny sosialy ho an’ny fiarahamonina (RSE). Anisan’izany ny sehatry ny fanabeazana. Nila­za ny lehiben’ny Cisco Mora­manga, Raberado Lahitsara, fa omena sakafo any an-tsekoly ny mpianatry ny EPP valo ao Moramanga. Maherin’ny 30 ny mpianatra nomena vatsim-pianarana any amin’ny ambaratonga faharoa. Ireo mpianatra hita fa mahay nefa avy amin’ny fianakaviana sahirana no sivana hatao misitraka izany.
Manampy ireo, novatsian’ Ambatovy ordinatera sy «impri­mante» koa ny Lycée Moramanga. Nilaza ny provizera, Andriatiana Modeste, fa tena ilain’ny ankizy ny fahaizana informatika, ka mianatra izany izy ireo isaky ny alarobia hariva.
Misitraka ny fandaharanasa RSE omen’Ambatovy ny mponina eny ifotony, manodidina ny toeram-pitrandrahana, ny tanàna manodidina ny lalana andehanan’ny fantsombe mitondra ny akorantany mankany Toamasina, ary ny ozinina any Toamasina.

Njaka A.

Partager sur: