Sénégal : hanangana ivontoerana eto Madagasikara

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Ambo­hijatovo, ny Consul honoraire an’i Sénégal eto Madagasikara, Souleymane Diagne. Nifampiresahana ny fampivoarana ny fanatanjahantena sy ny tanora eto Madagasikara ka hisy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Sénégal momba izany. Araka ny vaovao voaray, omaly, manana vina hanan­gana ivontoeram-piofanana ara-panatanjahantena na “Centre sport étude” lehibe eto Madagasikara i Sénégal. « Hitady toerana hanaovana io tetikasa io isika na hanavao ireo ivontoe­rana izay efa mitsangana eto Madagasikara. Hanangana ny kaomisionina hisahana izany manokana izahay », hoy ny minisitry ny MJS. Ankoatra izay, nilaza ity Consul senegaley ity fa hifampiresaka amin’ny Federasiona misahana ny baolina kitra any Sénégal, mba hahafahan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagasikara manao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa nasionalin’izy ireo. Hotontosaina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina izany, amin’ny taona ho avy io, raha mahazo fankatoavana avy amin’ny Caf ny kianja.

F.R

Partager sur: