SOMBIM-BAOVAO

Ny 11 oktobra ho avy izao no hiatrika ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025” hatao any Maroc indray i Madagasikara. Ny ekipam-pirenen’i Gambie no hifanandrina amin’ny Barea de Madagascar amin’izany. Lalao izay hatao any Maroc. Efa manatan­teraka fampivondronana etsy Mahamasina ny mpanazatran’ny ekipa, ny Coach Rôrô.

Nahita vokatra tsara ny klioban’ny 3FB, ny alahady lasa teo, nandritra ny andro fahafiton’ny
fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, federaly I. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 39 no ho 20 ny klioban’ny TFA Anatihazo. Ankoatra izay, nomon­tsanin’ny FTM Manjakaray, 86 no ho 18, ny ekipan’ny UASC.

Hotontosaina anio ny andro faharoan’ny
fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Arsenal, klioba anglisy, sy ny Paris Saint Germain, avy any France. Hampian­trano ity fifanandrinana ity ny Arsenal FC.

Hitohy anio ny fifaninanana N1A, taranja basikety, rehefa naka aina kely omaly. Hisantatra ny lalao ny SBC sy ny MBC eo amin’ny lehilahy, ny Fandrefiala sy ny MB2ALL kosa ho an’ny sokajy vehivavy.

Partager sur: