Mametraka vina iraisana ny mpikambana anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana na COI. Miompana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fambolena izany.
Tontosa omaly, tao amin’ ny Nosy Maorisy, ny fandraisam-pahefan-dRazafindravahy Edgard, Sekretera jeneraly vaovaon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Niatrika izany ny manam-pahefana sy ireo olona manan-kaja maro, avy amin’ireo firenena mikambana eo anivon’ny COI. Anisan’izany ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Sekretera jeneralin’ny COI fahafolo Razafindravahy Edgard.
Anisan’ny nandray fitenenana ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry. Nohamafisiny tamin’ izany ny fiaraha-mientan’ny mpikambana. Toraka izany koa, ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nohamafisiny fa tombony lehibe ho an’i Madagasikara rahateo ny fitazonana ny andraikitry ny sekretera jeneraly.
Ivondronan’ireo nosy sy firenena, miisa 5, aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny COI. Manana ny soatoavina mampiavaka azy ny vondrona toy ny fiaraha-miasa stratejika sy ny fiaraha-mientana manoloana ny zava-misy sy ny ambana iombonana. Nandritra ny lahateniny, nanamafy ihany koa ny filoha Rajoelina Andry, ny amin’ny tokony hampiharana sy hanajana hatrany ny soatoavina mampiavaka ny fikambanana. Nanteriny ihany koa ny fifanomezan-danja amin’ny samy mpikambanana sy ny fanamafisana ny firaisankina mba hananan’ny COI lanja eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena.
Fahavitan-tena ara-tsakafo
Vina niraisan’ny mpikambana ny mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo, izay mifanojo amin’ny laharam-pamehana apetrak’i Madagasikara. Izay rahateo no anisan’ny ho vaindohan-draharahan’ny sekretera jeneraly vaovao, Razafindravahy Edgard. Hitondra anjara biriky ny tenany amin’ny fanatrarana izany, araka ny nambarany. Anisan’ ny asa imasoany ny fametrahana ny fari-pambolen’ny COI any amin’ireo firenena mpikambana. Hitantana izany ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana. Anjaran’ireo firenena mpikambana no manome ny tany, ahafahana mamboly vokatra iraisana. Hisitraka izany avokoa ny mponina avy amin’ny firenena mandrafitra azy.
Lin