VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka mialoha ny fiavian’ny orana ny fanarenana ny lalana Moramanga-Anosibe An’Ala (RN23A). Ny lalana tena ratsy no hamboarina, eo anelanelan’ny tetezana Sahamarina, PK 6, sy ny any Anosibe An’Ala (PK 71). Tsiahivina fa hatao mandritra ny roa andro ny halavirana 72 km amin’ity lalana ity.
Miisa 200 ny tantsaha mpamboly vary nisitraka kojakojam-pamokarana (masomboly, zezika NPK sy biolojika,…), any Betroka. Tafiditra ao anatin’ny fanokafana ny taom-pambolena 2024-2025 any amin’ny faritra Anosy izany. Avy amin’ny Tahirimbola hampandrosoana ny famokarana (FDA) ny tohana, tamin’ny alalan’ny tetikasa Purpa.
Nitsidika ny Valanjavaboahary Masoala ny delegasion’ny Banky iraisam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo, niaraka tamin’ny BNCCCREDD+. Izy no mamatsy vola ny Fandaharanasa fampihenana ny fiparitahan’ny entona manageja atiala Atsinanana (Pre-AA). Mitantana ny alan’i Masoala ny Madagascar National Parks (MNP).

Partager sur: