Tohanan’ny Fandaharanasam-pirenena enti-manondro (PIN) sy ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Fandaharanasa Afafi Afovoany, ho fanoitra hampiroboroboana ny fambolena eny ambanivohitra.
Misitraka ny fandaharanasa ny faritra Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro. Miisa 5 455 ny tantsaha mpamboly legioma sy mpiompy akoho nahazo tantsoroka tamin’ny tetikasa Ambioka. Maherin’ny 6 454 taonina ny vokatra lafo, nanatsara ny fidiram-bolan’izy ireo. Niisa 2 812 ny mpiompy trondro anaty tanimbary notohanan’ny tetikasa Ampiana 2. Nahatratra 150 taonina ny trondro lafo, nampiasana teknika manara-penitra, ka nitombo avo roa heny ny voka-bary azo. Nahatratra 1 249 514 litatra ny ronono lafon’ny mpiompy ombivavy be ronono miisa 1 182 notohanan’ny tetikasa Profilait. Tanjona tamin’izany ny hanatsarana ny fomba fiompiana sy hikarohana lalam-barotra vaovao.
Fambolen-kazo sy fananan-tany
Ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana, nahatratra 4 619 ha ny velarantany voavoly hazo tamin’ny alalan’ny tetikasa Diabe. Miisa 53 454 ny tokantrano nisitraka ny tetikasa, ka nihatsara ny fari-piainan’izy ireo. Nihena ny fanimbana ala sady nihatsara ny fitantanana ny harena voajanahary.
Mahakasika ny fananan-tany, miisa 16 737 ny karatany nozaraina tao anatin’ny tetikasa Tafita. Teo koa ny fandrafetana ny drafi-panajariana ny tany ho an’ny kaominina, hampirindra ny drafi-pampandrosoana hatao.
Njaka A.