Namoy ny ainy irery tao an-tranony, lehilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Anjanamasina, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, omaly. Nitaraina ho marary vavony tamin’ny reniny io lehilahy io ny harivan’ny alatsinainy 30 septambra. Nandoa ra anefa izy tamin’io fotoana io. Nandroso alina ny andro ka samy natory kinanjo tsy nisy aina intsony izy, ny maraina. Nitsilany teo ambonin’ny fandriany. Naharay fampahafantarana ny zandary miasa ao Alakamisy-Ambohidratrimo ka nidina ifotony. Nanao ny fitiliana ny vatana mangatsikan’ilay namoy ny ainy ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII. Nambaran’ity farany fa maty vokatry ny aretim-bavony izy. Tsy nahitana ratra na mangana ny faritry ny vatany. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’izay.
Tsiferana R.