Marathon – Mada 2024 : hatao ny 10 novambra ho avy izao

Hanakatonan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny taom-pilalaovana 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja marathon. Hampiantrano izany ny ligin’Analamanga, ny 10 novambra ho avy izao. Handray anjara avokoa ireo ligy 14 mandrafitra ny federasiona, Analamanga, Vakinankaratra, Diana, Boeny, Itasy, Bongolava, Ihorombe, Fitovinany, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Anôsy, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania.
Hisokatra ho an’ny sokajin-taona rehetra io fifaninanana io. Marihina fa 3 taona lasa no nisian’ity hazakazaka lavitr’ezaka ity farany, ary izao indray vao tafiditra ao anaty fandaharam-potoanan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma. Mialoha io, ny 9 novambra, ny fivoriambe tsy ara-potoana hanaovan’ny komity mpitantana ny tatitry ny asa vitany.
Tsiahivina fa vita avokoa ny fifaninanana rehetra. Anisan’ny hetsika tanterahina ihany koa ny «Journée de concours» ho an’ny U16 sy U18, lahy sy vavy. Ny saut sy ny lancer no hatao amin’izany.

Tompondaka

Partager sur: