May ambondrona

 

Nalaza ny tarika AmbondronA nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanakoako sy niteraka resabe ny fahafenoany ny Coliseum Antsonjombe. Nisy ny nandray izany ho tsara ka manararaotra ny nanao dokambarotra, nampiakarana ny laza. Misy ny namadika ho zava-dratsy, fa mbola nentina hampalaza sy hampiakatra ny mpanaraka eny amin’ny tambajotran-tserasera. Raha fehezina dia samy nahazo tombony izany ny rehetra.
Mbola malaza koa anefa ny fomba fiteny hoe « may Ambondrona », omaly. Mahakasika ny resaka fahatapahan-jiro sy ny tsy fisian-drano eto an-dRenivohitra indray no resaka eto. Tampoka, nisy ny fivoriana maika nataon’ny filohan’ny Repoblika sy ny tomponandraikitra voakasik’izany, teny an-dapa. Nisy ny toromarika sy fiarahan’ny rehetra nitady vahaolana vonjimaika. Tanjona ny fiatrehana ny hamehana.
Nanomboka nafanafana rahateo ny raharaha teto amin’ny tanàna tao anatin’ny alina maromaro izay. Nanomboka mandoro kodiarana ny mponina. Efa mihetsiketsika ny mpianatra. Nampiakapiaka-peo izay ny mpandraharaha, na vaventy io na madinika. Samy miandry hetsika ara-tsosialy goavana daholo ny eny anivon’ny fiarahamonina. Namofompofona fifampiandrasana kendry tohina ny isan-tokantrano.
Mifoha ilay Malagasy tratry ny be donàka faobe! Tsy misy ny fandraisana andraikitra sy nitondrana vahaolana. Tsy araka ny toky nomena fa sosialim-bahoaka no ho vaindohan-draharaha. Soa ihany, taitra niaraka tamin’ny vahoaka ihany koa ny filoham-pirenena. Mba tsy ho fikaonandoha fotsiny fa hisy fiantraikany amin’ny famahana ny olana izany.
Vainafo mihantona ambony lohan’ny mpitondra fanjakana ny resaka delestazy. Tsy ny mponina intsony no maimbomaimbon’ny tsy fisasana, fa ny tanàna mihitsy no mantsimantsina korontana!

r.r

Partager sur: