Fanatsarana sy fanovana ny fomba fiasa eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana. Anisan’ny ao anatin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).
Nidina ifotony nijery akaiky ny fandrosoan’ny asa momba izany tany amin’ ny distrikan’i Nosy Be ny delegasionin’ny minisitera, notarihin’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany fa anisan’ny tanjona ny fametrahana rafitra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny fikirakirana ny taratasy momba ny tany. Mikendry hatrany ny mangarahara sy ny fanamorana ny asa fandrindrana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny fananan-tany ny eo anivon’ny minisitera tarihiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fahazoana ny taratasy fanamarinana sy ny sarin-tany.
Marihina fa rovitra ny taratasy momba ny tany hatrany amin’ny 8%, raha ny antontanisa ho an’ny ao Nosy Be. Midika izany fa taratasin-tany miisa 18 168 no havadika ho niomerika. Hatrany amin’ny 20% kosa ireo boky sy sarin-tany rovitra manerana ny Nosy. Maherin’ny 10 000 ireo fangatahana fanamarinana fananantany raha 20 000 kosa ireo sarin-tany mitokana zarain’ny fari-piadidian’ny fananantany isan-taona.
Etsy andaniny, maherin’ny 1000 isan-taona ireo raharaha momba ny ady tany tsaraina eny anivon’ny fitsarana.
Araka izany, efa an-dalam-panatanterahana izany fanovana fomba fiasa izany ireo sampandraharahan’ny fananantany. Anisan’izany ny eto Antananarivo sy any Nosy Be. Hotohizana amin’ireo faritra hafa izany mba hanamorana sy hamahana olana ny tontolon’ny fananantany.
Synèse R.