Nilamina ihany… “Tsy misy olana eo anivon’ny Firaisankina, raha ny antoko efatra: ny HVM, ny Tim, ny Antoko politika madio, ny Tsara tahafina.” Izay ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, tany Mahajanga, omaly, ny amin’ny firotsahan-kofidiny ho ben’ny Tanàna, Mahajanga I. Tsy mirotsaka amin’ny anaran’ny Firaisankina izy, fa amin’ny anaran’ny HVM. Samy niara-nanao sonia ireo antoko efatra ary nanaiky fa izy no ho kandidà mitondra ny anaran’ny Firaisankina ao Mahajanga I. Tsy misy manana zo tsy azo ivalozana akory ao anatin’izany antoko politika izany ka hitondra ny teniny samy irery, indrindra handeha hitory. Izay no ilazana hoe tsy misy olana ny Firaisankina. Amin’ny maha mpanao politika: fantatra ny zava-misy eto amin’ny firenena, efa niomanana ny zava-drehetra. Efa niomana ry zareo raha vao nandre ny fitenenana sy fihetsiky ny ankilany. Izay no fahamatorana amin’ny fitantanana sy amin’ny politika. Feno ny 48 ora nomen’ny Ceni, ka nisaotra ny ekipa rehetra izy. Vita soa aman-tsara ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina vaovao: atolotry ny HVM izy, izay filoha nasionalin’izany antoko izany rahateo. Ao anatin’ny Firaisankina tanteraka ny HVM: migoka izay mamy ao, manaraka ny fehinkevitra iraisana ary manaja izany. Miala ry zareo raha tsy manaja an’izany. Aleo fa mbola hitohy ny tantara… Ho hita eo?
R. Nd.