Tapany Atsimo : fampandrosoana maharitra eny ifotony

Maro ny fotodrafitrasa vita any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Tanteraka izany vokatry ny fandaharanasa vatsian’ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed), tamin’ny alalan’ny Tantsoroka famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny seha-pihariana ho an’ny rehetra (Afafi), tapany Atsimo. Misitraka izany ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana. Anisan’ny zava-bita ny fanajariana lemaka miisa 10 sy tohodrano maro. Mahatratra 64 ny lavadrano ho an’ny rano fisotro. Eo koa ny trano fitahirizam-bokatra miisa 8. Milanja 250 taonina ny masomboly, ahitana karazany 34 nahazo fankatoavana, novokarin’ny tantsaha miisa 659. Mirefy 144 km ny lalan-tany narenina. Fiofanana sy fampitaovana. Ankoatra ireo, nisy ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy fampitaovana. Tao anatin’izany ny fanomezana moto sy ordinatera ho an’ny mpiasa ara-teknikan’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (STD), fanofanana fiompiana trondro, fampitaovana ny dokotera sy mpitsabo biby. Narenina ny ozinina mpamokatra siramamy any Mahatalaky, sns.

Njaka A.

Partager sur: