Tonga eto Madagasikara, hivory mahakasika sehatra maro, momba ny toekarena ny delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), izay tahirin’i Frédéric Lambert, lehiben’ny iraka aty Afrika sy ny solontenan’ny FMI eto Madagasikara, Kodjovi Eklou. Nandray azy ireo, ny alatsinainy maraina teo, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ireo mpiara-miasa aminy. Hifantoka betsaka amina lohahevitra mandrafitra ny andininy fahadimy ao ao anatin’ny FMI ny fivoriana hatao. Tafiditra ao anatin’izay ny « Actualisation de la viabilité de la dette, la matrice d’évaluation des risques, les bésoins en matière de capacités ». Voaresaka ihany koa ny momba ny « Diagnostic de la gouvernance sur la lutte contre la corruption, l’Impact de l’éducation sur la croissance, et Projet de déclaration de service ». Hojerena ihany koa ny mahakasika ny Facilité élargie de crédit (Fec) sy ny « Facilité pour la résilience et la durabilité (FRD) » izay tsy maintsy mifanaraka amin’ny rafitry ny fandaharanasa sy ny fampiharana ny firafitra ara-pitaovana sy ny tetibola ho an’ny taona 2025. Haharitra andro maromaro ny fivoriana ka hifarana ny 11 oktobra. Hitandahatra mandritra izany fihaonan’ny delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena izany ireo tomponandraikitra voakasika eo amin’ny sehatra isan-tsokajiny avy. Taorian’io, nandray ny talen’ny Foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra, Germain, sy ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Lainkana Zafivanona Ernest, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Voaresaka, nandritra izany, ny fidiram-bolan’ny fadintseranana sy ny vola miditra amin’ny hetra anatiny.
Henintsoa Hani