Mpamily iray maty, olona telo naratra vokatry ny lozam-pifamovoizana teny amin’ny lalam-pirenena RNT12a, teo Bekabaro, fokontany Manambondro, distrikan’i Vangaindrano, ny talata 1 oktobra teo. Nikasa hizotra hianavatra ireo olona efatra tao anatin’ny fiara izay avy namita hiraka manokana tao Manambondro. Mpiasa amin’ny tambajotram-pifandraisana matanjaka eto an-toerana izy ireo. 2 km mivoaka io tanàna io, izany hoe, eo amin’ny PK177+125, niharan-doza tampoka ireto mpiasa ireto. Nandeha mafy raha teo ny fiara, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana nisahana ny fanadihadiana. Nivoaka ny arabe, nivadibadika io 4×4 io. Naratra mafy ny mpamily izay tsy nahatsiaro tena. Voa mafy koa ny olona telo hafa namany.
Namonjy hopitaly
Nentin’ny tsara sitrapo namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ireo niharam-boina. Niezaka namelona ilay mpamily izay tena voa mafy ny mpitsabo teo anivon’ny hopitaly. Tsy tanà intsony anefa ny ainy. Ankilany, tsy nahiana ny ain’ireo olona telo hafa niara-dia taminy izay nozahana tao amin’ny CSBII Manambondro. Marihina fa vehivavy ny roa tamin’ireo naratra ireto. Mponina ao Manakara ilay mpamily maty. Misahana ny fanadihadiana ny raharaha ny mpitandro filaminana ao amin’ny Vondrom-tobi-paritra Vangaindrano.
Ankoatra io, olona 20 niharan-doza tao Ankeniheny, kaominina Ambohibary, distrikan’Antsirabe, omaly. Taksibrosy mampitohy an’Antanifotsy sy Miarinarivo ity tra-doza ity. Telo ireo mpandeha tena voa mafy.
Tsiferana R.