Ankazobe : nahazo tohodrano Ambolotarakely

Mitodika mankany amin’ ny fanatsarana ny fa­mo­karana ny kaominina Ambolotarakely, distrika Anka­zobe. Notokanana ny 2 oktobra teo ny tohodrano nohavao­zina, nataon’ny Fandara­na­­san’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Mahatondraka tanimbary 300 ha ity fotodrafitrasa ity, raha 30 ha teo aloha. Ni­laza ny filohan’ny mpampiasa rano, ao amin’ny tambajotra Tsara, Randrianantenaina Jean Claude, fa mahatratra 250 ary mety ho tafakatra 500 ny tokantrano misitraka ny tohodrano raha 30 teo aloha. Vinavinaina ho 100 taonina ny voka-bary ho azo amin’ity taona ity, sady afaka mamboly indroa, raha 20 taonina sady indray mandeha ihany taloha. Nilaza ny solontena lefitry ny Pnud eto Madagasikara, Jean François Dubuisson, fa tan­jona nanohanana ny fanarenana ity tohodrano ity ny hampitomboana ny tahan’ny famokarana, indrindra ny vary eto Madagasikara. Eo koa ny fa­nomezana antoka ny fitantanana ny rano. Mamokatra voly an-tanety koa ny any Ambolo­tarakely, toy ny voanjobory, tsa­ramaso, katsaka, sns. Nam­baran’ny ben’ny Tanàna, Ben­jamin Patrick, fa mirona amin’ ny famokarana ny mponina, ankehitriny, taorian’ny tsy fandrampahalemana teo, ka efa milamina ny tanàna amin’ny ankapobeny.

Njaka A.

Partager sur: