Aretina haromotana : tsy misy fanafana raha vao miseho ny soritr’aretina

Tsy mamela mahazo ny aretina haromotana. Nisy ny hetsika fanaovana vaksiny maimaimpoana ireo alika sy saka teny amin’ny distrikan’Avaradrano ary hitohy any Mahajanga sy Farafangana ary Antsirabe izany.

Manohy ny hetsika fa­mantarana sy fahamailoana amin’ny aretina haromotana ny sehatra fanaraha-maso ity aretina ity ao amin’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra (Coramad). Nisy ny horonantsary fampahafantara ny nahitana voalohany ny vaksiny miaro amin’ity aretina ity, omaly, tetsy amin’ny AFT Andavamamba.
Nisy ny fizarana vaksiny 3 000 fatra ho an’ny sampandraharahana misahana ny fitsaboana biby ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana. Nanaovana vaksiny maimaimpoana ho an’ireo alika sy saka eto amin’ny dis­tri­kan’Antananarivo Avaradra­no. Mitohy any Mahajanga sy Farafangana ary Antsirabe ny hetsika.

Mbola mamono olona 60 000 isan-taona ny haromotana raha ny salanisa maneran-tany. Ankizy latsaky ny 15 taona ny 40% amin’ireo mamoy ny ainy ireo. Raha tombanana dia olona 9 isa-minitra no matin’ity aretina ity.
Ny fanaovana vaksiny ny biby ompiana toy ny alika sy saka no fisorohana tsara indrindra. Mila manao vaksiny miaro amin’ny haromotana ihany koa raha sendra voakaikitry ny alika.
Tsy misy fitsaboana sy fanafody azo atao rehefa mitranga ny soritr’aretina.
Amin’ny voalohany, tsy misy famantarana hita maso afa-tsy ny ratra vokatry ny kaikitra na rangotra.
Fotoana fohy aty aoriana anefa vao miseho ireo soritr’aretina toy ny fahatahorana rano, mandrovy na mivoaka faroratra ny vava. Lasa matahotra rivotra, matahotra hazavana, lasa mikorontan-tsaina na mahita zavatra mampatahotra, mifanintontsintona ary fanaviana be.
Amin’ny alalan’ny kaikitra na rangotry ny biby toy ny alika sy ny saka na ny ramanavy no ifindran’ny aretina amin’ny olombelona. Tsy voatery hisy soritr’aretina hita maso amin’ilay biby nefa afaka mamindra amin’ny olombelona izy.

Tatiana A

Partager sur: