Baolina kitra afrikanina : nosazian’ny Fifa enim-bolana i Samuel Eto’o Fils

Ny alatsinainy lasa teo, namoaka ny sazy ho an’i Samuel Eto’o Fils, filohan’ny federasiona baolina kitra Cameroun (Fecafoot), tao amin’ny tambanjotra serasera ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Nosaziana enim-bolana tsy mahazo mijery sy manatrika ny lalao hataon’ny ekipam-pireneny ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, ny tenany. Anton’izany ny fihetsika ma­nohitra ny toe-tsaina “Fair-play”. Raha tsiahivina, tsy faly tamin’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara nanome “penalty” an’i Bresil nandritra ny ampahavalon-dalana niadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy U20 vehivavy izy. Fihaonana natao tany Colombie, ny alakamisy 12 septambra, lasa teo. Tsiahi­vina fa resy tamin’ny isa 3 no ho 1 i Cameroun taorian’ny fanalavam-potoana.
Tsy vao izao no nahazo sazy tamin’ny Fifa ity mpitantana ny baolina Kamerone ity. Ny volana jolay 2024 lasa teo, nasaina nandoa honitra mitentina 200 000 dôlara izy noho ny fanaovana sonia fifanarahana ara-bola, tamin’ny orinasa Paris sportif.
Nanao fampakarana tamin’izany fitoriana nataon’ny kaonfederasiona taminy izany izy. Ankoatra izay, nisy koa ny fanamelohana azy, ho nanamboatra ny voka-dalao ka nampakarana ny ekipan’ny Victoria United de Limbe, ho diviziona voalohany saingy afaka noho izany raharaha izany izy.

Tompondaka

Partager sur: