5 189 na 0,096% amin’ny mpifidy ny manana fahasembanana nifidy tamin’ny fifidianana depiote, mey 2024. Izay no voalazan’ny Ceni, notaterin’ny Safidy tamin’ny atrikasa fampandraisana anjara ny manana fahasembanana amin’ny fifidianana, teny Ambatonakanga, omaly. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fanentanana sy fampandraisana anjara ny manana fahasembanana amin’ny fifidianana, Razafindrakoto Falihery, fa mbola maro ny sakana. Tsy misy, ohatra, ny lalàna hoe tsy maintsy soratana amin’ny lisi-pifidianana. Tsy misy antontam-baovao momba azy ireo. Tsy fantatra ny isa amin’ny lisi-pifidianana. Amin’ny fandatsaham-bato vao hita, nefa tsy hita maso ny 80 % amin’ny fahasembanana. 20% amin’ny petadrindrina amin’ny fifidianana no tsy azon’ny manana fahasembanana idirana: avo loatra, kely ny soratra… Nefa mandray anjara amin’ny zotram-pifidianana ny manana fahasembanana: 4% mpikamban’ ny biraom-pifidianana, taona 2023; 2,3% no delege amin’ny biraom-pifidianana; 7% mpikamban’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE); 0,6% delegena kandidà…
R. Nd.