INDRAY MIJERY

Nitokana ny tohodrano sy ny lakandrano mirefy 2 800m teny amin’ny fokontany Maharidaza, kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe ny governoran’Ana­lamanga. Entina hanatsarana ny lemaka Maharidaza izany. Ho afaka mamokatra indroa isan-taona ny tantsaha satria tanimbary 300 ha no hotondrahina.

Ho fitsinjovana ny mponina eny Sabotsy Name­hana, eo amin’ny fandoavana ny volan’ny Jirama, nanokana efitrano hahafahana manatanteraka izany ny kaominina ao an-toerana. Miteraka fahasahiranan’ny mponina ny fikatonan’ny rantsan’ny Jirama eny an-toerana ka voatery mandeha lavitra.

Hotanterahina manerana ny faritra eto amin’ny Nosy, manomboka ny 15 oktobra izao, ny andiany fahatelo amin’ny vaksiny faobe miaro amin’ny polio. Hisitraka izany ireo zaza rehetra latsaky ny dimy taona, indrindra ireo zaza mbola tsy nahavita ireo vaksiny fanefitra rehetra. Zava-dehibe ny fanaovam-baksiny satria hahafahana misoroka ireo karazana aretina mety hamono ny zaza.

Partager sur: