Judo-Maneran-tany: hifanandrina amin’i Eva Ognivova Rasoanaivo Laura

Rahampitso no hanomboka ny fifaninanana, eo amin’ny sokajy nisy an-dRasoanaivo Razafy Laura, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja judo, sokajy juniors.

Efa fantatra ny hifanandrina voalohany amin’i Laura, dia i Eva Ognivova (athlète individuelle neutre), eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 70 kg. Fifaninanana tanterahina any Dushanbe Tadjikistan, nanomboka omaly ary hitohy hatramin’ny 6 oktobra izao. Ao amin’ny vondrona D no misy an’i Laura amin’ny sokajy misy azy ary ahitana mpikatroka 9 ny hiady amin’ny fihodinana voalohany. 39 kosa no isan’ny judokas hifaninana amin’ny sokajy -70 kg juniors, izay nozaraina vondrona 4. Azo lazaina ho mafy ny miandry ity solontena malagasy ity. Saingy, efa nanoman-tena am-bolana maro i Laura ka vonona ny hiaro ny voninahi-pirenena. Matoky tena ihany koa izy, amin’ny maha laharana faha-4 azy maneran-tany eo min’ny sokajy juniors -70kg. Efa nisy fotoana aza nahazo ny laharana voalohany maneran-tany, teo amin’io sokajy io izy ka manantena ny hahazo vokatra tsara.
Tsiahivina fa i Laura irery no solontena malagasy miatrika ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany ity, izay notohanan’ny Federasiona iraisam-pirenenan’ny taranja judo. Noho ny vokatra tsara azony tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro no anton’izao fanampian’ny FIJ azy izao. Delegasiona miaraka amin’i Laura any an-toerana, ny filoha lefitry ny Federasiona malagasin’ny judo sy ny mpanazatra azy, Randrianintovina Arsène.

Mi.Raz

Partager sur: