Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: hohavaozina ny drafi-panajariana ny tany

Notanterahina tetsy Anosy, ny 1 oktobra teo, ny famelabelarana momba ny sarim-panajariana na drafi-panajariana ny tany “Plan d’aménagement”. Natokana ho an’ireo minisitera miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany.
Nitarika izao adihevitra sy famelabelarana izao ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Randriamananjara Anjary Sandrina, ny avy amin’ny sam­pandraharahan’ny Fanaja­riana ny tany (DGAT). Teo koa ny misahana ny fitsirihana ho an’ny fananan-tany. Nivoitra tao anatin’izany famelabelaran-kevitra izany fa ilana fana­tsarana sy fanavaozana avy amin’ny minisitera tsirairay avy ny fahavitana antsakany sy andavany izany sarim-panajariana ny tany izany. Tanjona ny famoronana tahirin-kevitra mitovy momba izany, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny MFFT. “Tena ilaina ny fametrahana lamina araka ny anjara asa isan-tsokajiny avy, eny anivon’ny faritra sy ny kaominina manerana an’i Madaga­sikara”, hoy izy ireo.
Tonga niatrika izany ireo solontenan’ny minisitera ma­romaro, mampiasa ny sarim-panajariana ny tany.
Tsiahivina fa efa nisy ny fi­haonana ny avrily teo, eo amin’ ireo samy ministera “Comité interministériel des plans d’aménagement”. Voaresaka tamin’izany ny fampiasana ny tany sy ny handaminana ny vaovao rehetra momba ny drafi-panajariana eo amin’ny sehatra maro lafy.
Tanjona ny fiarovana ny tany mifanaraka amin’ny tan­jona nomena azy, sy ny fametrahana fototra amin’ny fanapahan-kevitra momba ny fanajariana sy ny fampiasana ny tany. Isorohana ny mety ho fifandirana ny amin’ny tokony hampiasaina azy, sy ny firoboroboan’ny tsy fanaran-dalàna noho ireo faritra tsy voaaro koa izany na efa mipetraka aza ny drafi-panajariana ny tany.

Synèse R.

Partager sur: