Efa ao anatin’ny fandinihana sy ny fikirakirana ireo fitarainan’ny kandidà mpirotsaka hofidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao.
Mbola afaka mampiakatra ny raharaha ireo tsy afa-po. Nambaran’ny mpampaka-teny eo anivon’ny rafitra mikarakara ny fifidianana, i Soava Andriamarotafika, omaly, tamin’ny antso an-telefaonina fa maherin’ny 30 ireo kandidà niharan’ny fandavana ny firotsahan-kofidin’izy ireo. “Nanomboka ny faran’ny herinandro teo hatramin’ny omaly ny nandraisana izany ary mbola vonjimaika ihany io isa io. Mbola nandray izany izahay, izao hariva izao”, hoy izy. Nambarany fa hivoaka tsy ho ela ny fanapahan-kevitry ny Ceni aorian’ny fandinihana ny fitarainana. Na izany aza, nanteriny fa tsy nahitana tsy fanarahan-dalàna goavana ireo antontan-taratasin’ireo mpirotsaka hofidina, noraisina teny anivon’ny sampana mpandray sy mpanamarina ny dosie (Ovec), isaky ny distrika. “Mbola manana fe-potoana mialoha ny hamoahana ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny herinandro ireo kandidà tsy nahazo rariny avy ety anivon’ny Ceni ka mampiakatra ny fitarainana eny anivon’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana”, hoy ihany izy.
Manentana ny tanora ny Ceni
Tsiahivina fa hivoaka ny talata 8 oktobra izao, farafahatarany ny lisitra na ny anaran’ireo kandidà voatana ka hiatrika ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna ny 11 desambra ho avy izao.
Etsy andaniny, manentana ny tanora hiantsehatra amin’izao zotram-pifidianana izao ny eo anivon’ny Ceni. Efa maro ireo mirotsaka ho kandidà fa mbola nanaovan’izy ireo antso avo ny hidiran’ny tanora ho mpikambana eny anivon’ireo birao fandatsaham-bato. Eo koa ny fanoloran-tena ho mpanisa vato amin’ny androm-pifidianana. Manampy izany ny fidirana anaty fikambanana mpanara-maso fifidianana. “Nahitana fivoarany ny fahavitrihan’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fifidianana eto amintsika”, hoy ny Ceni.
Synèse R.