Antananarivo Renivohitra : nijery ny fanadiovana lakandrano ny PDS Ramanantsoa Harilala

Nidina ifotony teny Anosibe ny PDS Ramanantsoa Harilala, omaly, nijery ny fanadiovana lakandrano. Teo koa ny fanatrehany ny fanolorana fitaovana ho an’ny mpamonjy voina…

Nambarany fa natao hanamaivana ny olan’ny mponina amin’ny fiakaran’ny rano ny fanadiovana ny lakandrano tahaka izao. Nanentana ny rehetra koa izy mba hanaja ny fahadiovana. Nanombohana izany hetsika izany ny eny Anosibe ary hitohy amin’ny boriborintany hafa avy eo. “Mandany volabe ny fanadiovana tahaka izao ka aoka hitandro hatrany ny fahadiovana isika”, hoy ihany izy. Iaraha-miasa amin’ny go­vernemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka amintsika izao fanadiovana lakandrano izao.
Etsy andaniny, nisitraka fitaovana koa ny mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Ani­san’izany ny fanamiana hiarovan’izy ireo tena rehefa anaty famonoana afo. Eo koa ireo fanamiana samihafa an’arivony. Natolotry ny mpiara-miombon’antoka amin’ny CUA izany ary hanatevenana ny efa ananan’ny mpamonjy voina. Tsiahivina fa maherin’ny 400 izao ny isan’ny mpamonjy voina raha 100 izany teo aloha.

Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina
Ankoatra izany, nampahafantarina tetsy amin’ny La­pan’ny Tanàna, Analakely, koa ny fahazoan’ny CUA fitaovana fanaraha-maso “Ca­mera” miisa 900, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina. Nambaran’ny PDS Ramanantsoa Harilala fa efa miasa ireo fitaovana ireo izao ary efa miofana koa ny polisy monisipaly hampiasa azy. Hanampy amin’ny fitantanana ny Tanàna izany, araka ny nambarany. Hita ao avokoa ny lalana rehetra sy ny fizotry ny fifamoivoizana. Hanampy ny mpamonjy voina rehefa miseho ny haintrano. Tahaka izany koa ny fivangongoan’ny fako amin’ny toerana samihafa ary hanaraha-maso ireo lozam-pifamoivoizana. “Din­gana iray lehibe izany ho an’ny CUA”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: