“Beatbox Battle Madagascar”; hiditra amin’ny andiany fahenina ny hetsika

Nampahafantarin’ny mpikarakara ny “Beatbox Battle Madagascar” fa efa misokatra ny fandraisana anjara amin’ny andiany fahenina. Antenaina ny hisian’ny seho sy fifaninanana miavaka amin’ity.

Hotanterahina eny amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Ana­lakely, ny “Beatbox Battle Madagascar 2024”, ny 2 no­vambra 2024. Fifaninanana nasionaly eo amin’ny tontolon’ny Beatbox, andiany fahenina izy ity. Misokatra ho an’ny mpiangaly ny Beatbox rehetra manerana ny Nosy ny fifaninanana. Sokajy roa no hatao amin’izany. Misy ny Solo, natao ho an’olon-tokana. Misy koa ny Tag team natao ho an’ny olon-droa miaraka. Tanjona ny hampivelarana sy hampiroboroboana ity karazana zavakanto ity eto Madagasikara, izay anisan’ny ananan’ny Malagasy tombony sy vahana manokana.
Ambohi-pihaonan’ny Ma­lagasy mpankafy Beatbox indray izany ny eny amin’ny CGM Analakely, amin’io andro io. Miditra eo amin’ny andiany fahenina ny fifaninanana, ary tsapa ny fiakaran’ny lentam-pahaizan’ny Malagasy izany. Tsy miova ny fandraisana anjara fa raketin’ireo mpandray anjara anatina horonantsary ny talentan’izy ireo ary alefa mailaka any amin’ny tomponandraikitra. Horonantsary manodidina ny roa minitra ary mitovy avokoa ny fepetra fandraisan’anjara ho an’ny sokajy rehetra. Ankoatra ny fahafehezana ny Beatbox, anisan’ny hitsarana azy ireo ihany koa ny famoronana.
Rasolofoarison Ronaldo, fantatra amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe: Do B, no anisan’ny namelona indray ity taranja ity sy nanome aina ny fifaninanana, niaraka tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny CGM. Ny CGM izay manohana hatrany ny zavakanto sy ny fampivelarana izany, indrindra ny ho an’ny Tanora. Do B izay efa tompondaka maneran-tany tamin’ny BeatBox, sokajy Scratch, ny taona 2023. Raha ho an’ny tamin’ny taona lasa, i Fredo Rakotondrina na Kellywest no mpandresy teo
amin’ny sokajy Solo. Ny 2BNS avy eto Antananarivo kosa no nahazo ny amboara teo amin’ny sokajy Tag team.

Lin

Partager sur: