Fandaharanasa PIR : hampiroboroboana ny varotra

Tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Fandaharanasa enti-mampandroso ny isam-paritra (PIR). Anisan’ny sehatra voakasik’izany ny fikarohana lalam-barotra iraisam-pirenena sy ny fampiasam-bola maharitra.

Tafiditra ao anatin’ny PIR ny Fandaharanasa tantsoroka hampandrosoana ny fanondranana entana ho an’ny faritra (Padeir). An’arivony ny Malagasy mpamokatra misitraka azy, ahafahan’ny vokatra eto an-toerana afaka mifaninana. Eo koa ny fanamorana ny singa arahina amin’ny fanondranana any ivelany. Niakatra ny fidiram-bolan’ny mpamokatra, satria mora kokoa ny fidirana eo amin’ny lalam-pihariana eny amin’ny faritra, tamin’ny alalan’ny tsenam-paritra Comesa, ny Sadc ary ny COI. Afaka mamaly ny fepetra takin’ny tsena iraisam-pirenena izy ireo.
Misy koa ny Fandaha­ranasa fiarovana ny fifamoivoizana an-dranomasina (Mase), amin’ny fitantanana ny morontsiraka. Nohama­fisina ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra, iadiana amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny jono sy ny harena an-dranomasina, sady iarovana ny vondrona olona eny ifotony mivelona amin’ny jono. Tan­jona ny haha marindrano ny toekarena eto an-toerana amin’ny sehatry ny jono an-dranomasina.
Manampy ireo ny fanohanana ny lafiny fampiasam-bola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Clim Invest. Natao hamoronana asa sy hampiroboroboana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) malagasy. Anisan’ny tohanana manokana ny mpandraharaha mitondra zava-baovao, entina hampiakarana ny tahan’ny famokarana eto Madaga­sikara, sady afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.

Fampiasam-bola sy zava-baovao
Fandaharanasa tohan’ny PIR ihany koa ny Clim Invest. Natao hamoronana asa sy ny fitomboan-karenan’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) malagasy. Misy koa ny fampiofanana ara-teknika ho an’ny mpandraharaha mpanondrana any ivelany sy ny rafi-panjakana mifandraika amin’izany, toy ny ao amin’ny EDBM sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MICC), ohatra.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: