FANTINA sy FINTINA

Nampahafantatra ny fomba fiasa vaovao ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny ministra teny Iavoloha, afakomaly. Nambarany fa tokony hiaraka mandroso miaraka ireo tetikasa laharam-pahamehana. “Tsy maintsy ifarimbonan’ny governemanta iray manontolo izany ary hohafainganina. Hitondra fiovana eto amin’ny firenena izany”, hoy izy.

Nangata-panazavana teny amin’ny Ceni ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly, amin’ny hanokafana indray ny lisitry ny mpifidy efa nifarana ny 15 mey teo. Notateriny tamin’izany fa maherin’ny 3 tapitrisa ireo tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana. Ny “Ordonances” kosa ahafahana misoratra anaty lisitra saingy tsy ahafahany mifidy, araka ny nambarany.

Nanazava ny olana eo anivon’ny Firaisan­kina ny filoha mpiara-mitantana, Ravalomanana, teny Alarobia, omaly. Nambarany fa tsy maintsy misy hatrany ny adihevitra ary tsy voatery hitovy izany. “Misy ny tia tena sy mahalala ny aleha. Ao koa ireo tia sehoseho ka mila mitandrina. Mitovy anefa ny tanjona ka aza taitra fa efa miezaka mandamina izahay. Tsy hampikorontana anay izany…”, hoy izy.

Partager sur: