Naratra mafy ny raim-pianakaviana iray notondraham-badiny rano mangotraka teny Alasora, omaly hariva. Nandritra ny fifamaliana teo amin’izy mivady no nitranga ity voina nihatra tamim-badiny ity. Voalazan’ireo olona mahafantatra ny fiainan’izy mivady ireto fa matetika manana olana an-tokantrano izy ireo. Miady sy mifamaly ary mifampikasi-tanana hatrany rehefa miady. Miasa amina orinasa afakaba iray ilay renim-pianakaviana raha mpiambina kosa ny asan’ilay raim-pianakaviana. Resaka hasarotam-piaro no nitarika ny fifandirana teo amin’izy mivady. Raikitra teo ny fifamaliana teo amin’izy mivady. Samy naheno ny adin’izy ireo avokoa ny mpiray vodirindrina teo an-tanàna. Mafy ny fifandonana satria tonga hatrany amin’ny herisetra izany. Nobataim-badiny ny rano mangotraka teo ambony fatana ka natondrany tany
amin’ilay vadiny efa eo am-piomankomanana ny handeha hiasa. Naratra teo amin’ny tanany sy ny valahany ity vadiny ity. Soa ihany fa tsy nahazo ny vatany manontolo izany fa saika zava-doza no niseho. Ireo olona teo an-tanàna no nitondra azy namonjy toeram-pitsaboana.
J.C