INDRAY MIJERY

Tontosa ny fampiofanana enti-manamafy fahaiza-manao nokarakarain’ny fitaleavana ankapoben’ny Fampiroboroboana ny fampanananasa ao amin’ny departemantan’ny fampiofanana niarahana tamin’ny ONG Edugasscar ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Momba ny « Procédure de création d’entreprise et Fiscalité d’entreprise » no lohahevitra tamin’izany. An-jatony ireo mpiofana nahazo ny fampiofanana feno ka nahitana mpamboly, mpiompy ary mpianatra izany.
Any Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, no hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, anio. Anisan’ny asa laharam-pahamehana ho an’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka ny hisitrahan’ny olon-drehetra fanafody sy torohevitra ahafahany mandrindra ny fotoana hiterahany sy ny isan’ny zaza haterany. Voakasika manokana koa ny tanora sy ny mpianatra eny amin’ny oniversite rehetra.
Maro ireo hetsika fitiliana ny homamiadan’ny nono mandritra ity volana oktobra ity “Octobre rose”. Fanararaotra izany ho an’ny renim-pianakaviana mihoatra ny 45 taona. Maimaimpoana ny fitiliana matetika na ahitana fihenam-bidy. Ilaina ny manao fitiliana ahafahana mamantatra mialoha ny fahasalamana, hanamorana ny fitsaboana.
Notanterahina tamin’ity herinandro ity, ny fandefasana vaksiny tamin’ny alalan’ny drône tany amin’ny CSB Beraketa, distrikan’i Sakaraha. 1 030 fatra ny vaksiny nisantarana ity sidina voalohany any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ity. Miantoka ny famatsiana vaksiny sy fanafody tsy tapaka any amin’ny toerana tena alavitra ny fisian’ity fitaovam-pitaterana ity.

Partager sur: