Judo Malagasy: nanolotra fitaovana ny masoivoho japonais

Noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Ambohi­jatovo, ny masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara, Abe Koji. Maro ny resaka nifanaovana tamin’ity fihaonana ity, anisan’ny zava-dehibe tamin’ izany ny fanomezana fitaovana ho an’ny Federasiona mala­gasin’ny judo.
Araka ny fanazavana voaray, natolotry ny japonais maimaimpoana ho an’ny Mala­gasy izany fitaovana izany mba ho fanamafisana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta sy ho fampivoarana ity taranja ity eto Madagasikara. Tsara marihina fa natao ho fampitaovana ho an’ilay Dojo izay hotokanana amin’ity taona ity izany. Nambaran’ny minisitra fa efa misy ny kaomisionina natsangana hiandraikitra ny fanamboarana ity kianja iray ho an’ny Malagasy mpilalao judo ity. Tsy mbola voafaritra kosa ny toerana hanatanterahana izany.
Ankoatra izay, voaresaka nandritra ity fifankalozan-kevitra ity, ny fanavaozana sy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto an-toerana mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ampaha­fatarina ihany fa firenena iray misongadina amin’ny fanatanjahantena i Japon. Anisan’ izany ny taranja baolina kitra sy ny judo ary ny rugby.

F.R

Partager sur: