Karate – Maneran-tany: Andrianavalona Tsiky no hisolo tena ny Malagasy

Solontena malagasy tokana hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja karate, hatao any Venice Italie, Andrianavalona Tsiky Mialy Fanomezantsoa.

Hatao ny 9 hatramin’ny 13 oktobra izao, any Venice Italie, ny andiany faha-13 amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Karate. Sokajy Cadets, Juniors, U21, eo amin’ny Kata sy Kumite no hifaninanana man­dritra izany. Manana so­lon­tena iray i Madagasikara hiatrika izany fifaninanana izany, ahitana an’Andriana­va­lona Tsiky Mialy Fano­me­zan­tsoa, sokajy latsaky ny 55kg. Eo amin’ny Kumite, sokajy U21 vehivavy no handraisany anjara, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM (Federasion’ny karate-do malagasy), Ratefi­na­nahary Emile. Tamin’ny alalan’ny fampivondronana izay efa natao iray volana mialoha no nahafahana nitily izay hisolotena an’i Madagasikara, araka ny fanazavana hatrany. Eo amin’ity taranja ity hatrany, hatao ny 31 oktobra hatramin’ ny 3 novambra izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­da­gasikara, izay hatao any Toliara. Efa nahavita ny fiadiana ny tompondaka rezionaly avokoa ny ankamaroan’ireo ligy, anisan’izany ny ligin’Atsi­nanana izay vao nahavita ny fifaninanana ny faran’ny herinandro lasa teo. Mbola tsy nahavita ny anjarany kosa ny ligin’i Boeny izay hanatanteraka ny azy, ny sabotsy sy alahady izao, araka ny fandaharam-potoana voaray.

Mi.Raz

Partager sur: