Nirefotra ny basy… : Jiolahy iray voatifitry ny polisin’ny Fip

Maty voatifitry ny polisin’ny Fip, notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tao Anki­ri­hiry Toamasina, omaly, ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Andian-jiolahy maromaro no voalaza fa mampihorohoro ny mponina ao amin’ny fokontanin’ Ankirihiry sy Cité Haras hatrany Valpinson ary Andra­nomadio. Tsy mitsitsy mihitsy ry zalahy fa mitondra faisana avokoa izay olona mifanena amin’izy ireo. Voafira antsy sady voaendaka. Teo am-pandrobana olona roa ry zalahy no nifanena tampoka tamin’ny polisin’ny Fip. Ny iray notapahin’ireo jiolahy ny tanany ka naratra mafy raha vaky loha kosa ilay olona faharoa. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola sy ny finday ary ny firavaka volamena. Mpiasa avy nirava ka hamonjy fodiana ireto tratran’ny fanendahana ireto. Raikitra ny fifandonana teo amin’ireo jiolahy sy ny polisy. Nitohy hatrany anaty elakela-trano tao amin’ireo fokontany ireo ny fifanenjehana. Naharitra teo amin’ny adiny iray teo izany vao niafara tamin’ny fahafatesan’ity jiolahy iray ity. Anisan’ireo faritra tena ahitana trangana tsy fandriampahalemana miseholany foana ao amin’ireto fokontany ireto. Nanamafy hatrany ny kaomandin’ny Fip fa tsy hitsitsy izy ireo manoloana ireo jiolahy mpampihorohoro ao Toamasina.

Sajo/J.C

Partager sur: