Paikadim-pirenena : hatao isan-taona ny tomban’ezaky ny ady amin’ny kolikoly

“Hanomboka amin’ny 2025: hisy ny paikady iadiana amin’ny kolikoly, fa hisy koa ny drafitra fanatanterahana. Hisy fijerena manokana isan-taona ny hoe: inona no vita, inona no tratra, inona no mbola tsy vita? Hisy tatitra amin’ny vahoaka izay nifanarahana sy izay tena vita nandritra ny taona”, hoy ny filo­han’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, omaly. Nitafa ta­min’ny mpanao gazety teny Andohatapenaka izy nandritra ny fandrafetana ny Paikadim-pirenena vaovao 2025-2030 iadiana amin’ny kolikoly. Hisy fijerena manokana ny fomba entina manatanteraka ny paikadim-pirenena. Na amin’ny lafiny vola enti-manana izany, na ny olona hanao ny asa…
Andry fahatelo amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly. Porofon’ny lanjany lehibe ho an’ny fitondram-panjakana sy ny filohan’ny Re­poblika ny fanaovana paikady vaovao. ”Tsy misy vahaolana fahagagana sy vetivety. Tsy ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly irery no mandresy ny kolikoly eto Madagasikara, fa tsy maintsy ny rehetra. Izay no anaovana fakan-kevitra isan-tsehatra, ahazoan’ny mpiasam-panjakana isan-tsehatra mandray anjara amin’ny famolavolana vahaolana entina hiadiana amin’ny fomba mavitrika ny kolikoly”, hoy hatrany izy.
Hidirana lalina ny sehatra tsirairay manomboka amin’ny herinandro ambony. Tsy misy faritra, tsy miteny fa ny fananan-tany no maharary azy amin’ny ady amin’ny kolikoly. Noho izany, hanaovana atrikasa manokana momba izay. Eo koa ny atrikasa manokana momba ny ady amin’ny kolikoly sy ireo sakana eo amin’ny fitsarana, mahatonga ny fahazoana manao fanasaziana sy famaizana mahomby ny fa­naovana kolikoly.

R. Nd.

Partager sur: