Olam-piarahamonina tsy maintsy sedraina ny mahakasika ny famatsian-drano sy jiro eto Madagasikara. Raha ny tsilian-tsofina heno, mandraiky marary hatramin’ny mpitantana ao amin’ny Jirama. Henjana be ny tsindry sy ny tery avy amin’ny deban’ny tanàna. Tsy maha vazaha ny vazaha ny firaisankinan’ireo Malagasy sasany izay manao volo mpanoha randrana (?).
Raha ny resabe mihodinkodina dia betsaka ny mpialona. Tsy miasa saina amin’ny fomba hanavotana ny Jirama, fa marary an-doha amin’ny vola miditra amin’ny sasany. Anisan’ny tsy lanin’ny vavon-dry ory hava-manana ny mahakasika ny karama be 15 000 euros an’ny tale jeneraly. Tsy mahagaga raha misy ireo mivoy andro aman’alina amin’ny tambajotran-tserasera ny mahakasika izay.
Tondro tokana anefa tsy mahazo hao, tsy afaka ny hanao mihoatra ny azony atao ny vazaha. Rehefa tsy ny ekipa miaraka aminy no manao tongotra miara-mamindra sy tanana miara-mandray. Raha zohina akaiky, ilay samy Malagasy ihany izany no mifamono. Ilay drafi-panarenana ny Jirama anefa efa mipetrapetraka. Eo amin’ny fanatanterahana azy no mandalo sakana.
Mampalahelo ny zava-misy. Manala baraka ny fomba fisainan’ny Malagasy sasany. Fikasana ny hanaisotra ilay vahaza no mahamaika fa tsy ny famerenana ny rano sy ny tsy fahatapahan-jiro. Iniana avadika ny vaovao, ahina korontanina ny sain’ny Malagasy. Iaraha-mahalala sy mahita anefa fa vazaha no manakarama vazaha, noho ny volany mihodina ao.
Ny olana dia misy tambajotra minia mamotika ilay orinasam-panjakana. Mitady ny fomba hihinanana sy hitsetsefana ny madinika hatrany. « Revy mafia » no misy ka izay tsy maharaka ihany no voarebireby. Mila mahasahy mijoro ny mpandoa faktiora raha tsy izany dia indroa hahita ny maizina toy ny tain’omby asesika an-davaka eo!
r.r