SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly alina, hihazo an’i Maroc, ny delegasiona malagasin’ny ekipam-pirenena, Barea de Madagascar. Mpilalao miisa dimy no fantatra fa lasa any an-toerana, araka ny vaovao voaray omaly. Anio kosa no hivoaka ny lisitry ny mpilalao izay mandrafitra ity ekipa nasionaly amin’ny baolina kitra ity.

Hotontosaina anio, any Dubaï, ny andro
faharoan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja rugby, sokajy vehivavy, “WXV 2024”. Ny ekipam-pirenen’i Hong Kong no hifandona amin’ny Makis Ladies, ekipa malagasy. Hanarina ny faharesena nanoloana an’i Espagne, nandritra ny lalao voalohany, ry zareo Makis amin’ity fifanandrinana ity.

Hatao manomboka ny 21 oktobra ho avy io, ny fiofanana mpanazatra izay maniry ny hanana ny diplaoma «Licence C Caf». Ireo teknisianina izay efa manana ny «Licence D Caf» ihany no afaka miatrika ity fiofanana ity. Tsiahivina fa afaka mitondra klioba diviziona voalohany eto Afrika, izay manana ity diplaoma ity.

Lavo nandritra ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, «Ligue des Champions (LDC) 2025», ny ekipa espaniola, Real Madrid, afakomaly, tany France. Resin’ny klioba frantsay, Losc Lille, 1 no ho 0, ry zareo. Tsiahivina fa ity klioba espaniola ity no manjaka amin’ny LDC, efa nandrombaka izany in-15 izy ireo.

Partager sur: