Nahazo anarana Ancha ilay andro ratsy ao amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Any amin’ny 3 000 km avaratra atsinanan’i Madagasikara ny foibe. Tsy mbola misy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika izany.
Hitombo hery ho lasa rivodoza mahery vaika kosa anefa izy androany. Hihena ny heriny aorian’izay ka heverina ho levona an-dranomasina ihany. Rivodoza niforona voalohany ao anatin’ity fotoam-pahavaratra ity i Ancha.
Ho an’ny toetry ny andro kosa, nahitana fidinana misongadina ny maripana teto afovoantany sy ny atsinanan’ny Nosy, tamin’ity herinandro ity. Nahatsapa izany ny teto Antananarivo ary nahatsiaro hatsiaka mihitsy omaly, saika mandra-paharivan’ny andro.
Hitoetra tsikelikely ny tsiokan’ny alizay aorian’ny fandalovan’ny rindrin-drahona izay manaraka ny ilany atsinanan’ny Nosy.
Ho an’ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra, mbola mankarary izany, indrindra ho an’ireo sokajin’olona marefo. Avo roa na telo heny amin’ny fetran’ny OMS ny refy voaray, hoy ny mpamantatra ny toetry ny andro. Vinavinaina hidina ho amin’ny antonony kosa izany ao anatin’ny telo andro ho avy.
Tatiana A