Unicef sy MFFT : nojerena ny vahaolana ho an’ny rano any Atsimo

Nanatanteraka fivoriana momba ny fanaraha-maso ny asa famatsiana rano any Atsimo ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), tetsy Anosy, afakomaly.

Voaresaka ny tetikasa “Mionjo”, iarahana amin’ny Unicef. Minisitera mpiahy ity tetikasa ity ny eo anivon’ny MFFT ka nivoitra tamin’ny dinika nifanaovan’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, sy ny avy amin ‘ny Unicef, Christine Jaulmes, ny fanomezana vahaolana maharitra amin’ny olan’ny rano. Ao anatin’izany ny fampidirana rano amin’ny alalan’ny fantsona sy ireo fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany. Tanjona ny hamantarana ireo sakana mety tsy hampandroso ny tetikasa ary mba hiantohana fa tontosa araka ny tokony ho izy ny fananganana ireo fotodrafitrasa ireo. “Mba ho tombontsoa ambony ho an’ ny vahoaka eny ifotony”, hoy ny minisitra.
Tsiahivina fa anisan’ny tafiditra amin’ny tetikasa “Mionjo” ny nanoloran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny MFFT « kits solaires » sy fanohanana ara-bola ho an’ny any Atsimo Andrefana. Natao hanampiana ireo kaominina miisa 19 any amin’ny distrikan’ i Morombe, Beroroha ary Ankazoabo. Hanatanterahana ireo tetikasa eny ifotony izany, toy ny fanamboarana sy fanavaozana fotodrafitrasa: CSB, sekoly, tranom-pokonolona… «Kits solaires» 80 kosa nozaraina ho an’ny kaominina miisa 80, ho amin’ny filàna angovo sy hamelomana ireo fitaovana informatika efa am-pelantanany. Ahitana milina mpamokatra herinaratra, “Panneaux solaires” ary fitaovana maro samihafa izany.

Synèse R.

Partager sur: