ADY AMIN’ny dengue: Mila 55 tapitrisa dolara

Mampirongatra ny aretina dengue afindran’ny moka ny fiovan’ny toetr’andro (fiakaran’ny maripana) ka nahatonga ny OMS nametraka drafitrasa iraisam-pirenena hifehezana azy. Nanomboka ny taona 2021 no ho mankaty, nitombo avo roa heny, isan-taona, ny isan’ny tranga misy fahasarotana voatily. Tao anatin’ny valo volana voalohany tamin’ity taona ity, 7 900 ny fahafatesana nateraky ny aretina dengue ary nahatratra 12 tapitrisa ny tranga voatily nanaovana tatitra tany amin’ny OMS. Ny taona 2023, olona 6,5 tapitrisa no tratran’ny aretina nandritra ny taona, isa izay niakatra avo roa heny sahady tao anatin’ny valo volana ho an’ity taona ity. Ireo tranga voatily no nahazoana vokatra fa mbola maro koa ny tranga tsy misy fisehoana ivelany na koa tsy nandalo fitiliana. Tombanan’ny OMS fa misy tranga vaovao 100 ka hatramin’ny 400 tapitrisa miseho isan-taona ary firenena 130 amin’izao fotoana izao no ahitana azy maneran-tany.
Anisan’ny antony mampirongatra ny aretina koa ny fihitaran’ny tanàna tsy manaraka ny fenitra, tsy fampiasana ny rano sy ny fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana ary indrindra ny fivezivezen’ny olona.
Ilaina ny drafitrasa mirindra amin’ny fanaraha-maso ny aretina sy ny fikarohana samihafa momba ny vaksiny sy ny fitsaboana mahomby, hoy ny tomponandraikitry ny OMS, Dr Tedros. Mila vola hatramin’ny 55 tapitrisa dolara ny tomponandraikitra rehetra hametrahana io drafitrasa io ho an’ny taona 2025.

Partager sur: